Colossians 3

1Koa raha Andriamanitra no nanangana anareo niaraka tamin’i Kristy, katsaho ireo zavatra any ambony, izay ipetrahan’i Kristy eo an-tanan- kavanan’Andriamanitra. 2Saino ireo zavatra any ambony, fa tsy ireo zavatra eto an-tany. 3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo dia miafina miaraka amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra. 4Rehefa miseho i Kristy, izay fiainanareo, dia ianareo koa hiara-hiseho aminy ao amim-boninahitra. [Fanamarihana eny ambanin’ny pejy: Ireo dikan-teny taloha sasany miteny hoe: “Rehefa miseho Kristy, izay fiainanareo, dia ianareo ihany koa dia hiara-hiseho miaraka aminy am-boninahitra.]

5Vonoy, avy eo, ireo mpikambana izay eto an-tany- ny filan-dratsy, fahalotoana, firehetan’ny filana, faniriana ratsy, ary fahatendana, izay fanompoan-tsampy. 6Noho ireny zavatra ireny no hahatongavan’ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ireo zanaky ny tsy fankatoavana. [Fanamarihana eny ambanin’ny pejy: Ny dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: “Noho ireny zavatra ireny no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra.”] 7Tao amin’ireny zavatra izay nandehananareo ireny taloha ihany koa rehefa mbola niaina tao amin’ireny ianareo. 8Fa ankehitriny ianareo dia tsy maintsy manary ireny zavatra rehetra ireny - fahatezerana, fahavinirana, ireo fikasan-dratsy, ireo fanevatevana, ary teny fahavetavetana avy amin’ny vavanareo.

9Aza mifandainga, fa efa narianareo ny toetra taloha miaraka amin’ireo fampiharana izany, 10ary notafinareo ny toetra vaovao izay nohavaozina ao amin’ny fahalalana araka ny endrik’izay namorona izany. 11Ao amin’izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, olon’afaka, fa i Kristy no rehetra, ary ao amin’ny rehetra.

12Koa, mitafia, araka ny maha-olom-boafidin’Andriamanitra, masina ary malala, famindram-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana. 13Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Raha misy olona iray manana fitarainana momba ny olona hafa, mamelà toy izay namelan’ny Tompo anareo. 14Ambonin’ireny zavatra rehetra reny, manàna fitiavana, izay mamatotra antsika amin’ny fahatanterahana.

15Aoka ny fiadanan’i Kristy hanapaka ao amin’ny fonareo. Fa ho an’izany fiadanana izany no niantsoana anareo ho vatana iray. Ary misaora. 16Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Amin’ny fahendrena rehetra mifampianara ary mifananara amin’ireo salamo sy fihirana ary hira ara-panahy. Mihirà amin’ny fisaorana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. 17Na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny na amin’ny asa, ataovy amin’ny anaran’ny Tompo Jesosy ny rehetra. Manomeza fisaorana ho an’Andriamanitra ilay Ray amin’ny alalany.

18Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, fa izany no mety ao amin’ny Tompo. 19Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza masiaka amin’izy ireo. 20Ry zanaka, mankatoava ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra, fa izany no ankasitrana ao amin’ny Tompo. 21Ry ray, aza manao izay mampalahelo ireo zanakareo, mba tsy ho kivy izy ireo.

22Ry andevo, mankatoava ny tomponareo araka ny nofo amin’ireo zavatra rehetra, tsy amin’ny asa eo imaso toy ny olona mpila sitraka, fa amin’ny fo tsotra. Matahora ny Tompo. 23Na inona na inona ataonareo, miasà avy amin’ny fanahinareo toy ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’ny olona. 24Fantatrareo fa ianareo dia handray ny valisoan’ny lova avy amin’ny Tompo. Izy no Tompo Kristy izay tompoinareo. Fa izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy ho an’ny tsy fahamarinana izay nataony, ary tsy misy fizahan-tava.

25

Copyright information for PltULB